METAPHYSIQUE
INONA NO MAHA-SAMIHAFA NY CONSCIENT, INCONSCIENT SY NY SUBCONCIENT ?
Ny CONSCIENT dia zavatra efa aquis, concret, ny zavatra logique rehetra azo tsapain-tanana, rehefa miresaka ary hitan'ny maso, miainga amin’ny saina mieritreritra (ny atidoha) ary miditra any amin’ny tontolo hita maso.
Ny esprit conscient dia mifantoka amin’ny fiainana andavanandro (se concentre sur notre état actuel), sy izay rehetra ataontsika.
Ny INCONSCIENT (tsy baikoin’ny fahatsiarovan-tena), dia lazaina rehefa "tsy conscient" izany hoe miasa ohatry ny machine automatique fa tsy mila baikoin’ny saina ary tsy mila eritreretina ny fiasany nefa mijanona ao anatin’ny mémoire. Antsoina koa hoe : automatismes innés .
Ny fomba ahitantsika an’izany dia ny fahafantarana ny loko, ny endrika, mora tohina, toetra, na izay rehetra mampihetsi-po
Ny inconscient no mampahafantatra anao ny tahotra ao anatinao na rehefa mahatsiaro ho sorena ianao
Misy fiatraikany amin'ny eritreritra sy ny fihetsiky ny tsirairay ary mihodina mankany amin'ny "tontolo anaty" ny tsy fahatsiarovan-tena.
Ny automatisme du corps (mandeha ho azy fa tsy mila baikoina) ao anatin’ny vatana dia : rehefa mamindra, ny fitempon’ny fo (battements de cœur), ny fikorinan’ny rà (circulation sanguine), ny fitombon’ny vatana (croissance du corps), ny fiaina (respiration), ny fihetsika ara-batana amin'ny fanentanana ivelany, tosika voajanahary (réaction physique à un stimulus extérieur, pulsions instinctives)
Ny Automatisme de l'esprit : miteny (parler), ny nofy (rêves), rehefa isika masiaka fiteny, mitrerona, miaka-peo (pulsions verbales)... misy koa ireo fahazaran-dratsy na tsara (mauvaises et bonnes habitudes)
Ny SUBCONSCIENT (sous la conscience) sy ny INCONSCIENT (l'absence de conscience) kosa dia mifanohitra amin’ny conscient izany hoe matory ao anatinao.
Ny SUBCONSCIENCE dia ohatran'ny karazana disque dur, illimité ary mi-stocker ny rehetra : Intuition, Souvenirs, Peurs, Phobies, Traumatismes.
"La subconscience est le meilleur reflet de la personnalité de chacun" : amin'ny alalan'ny fihetsikao sy ny firesakao sy ny fombafomba rehetra ataonao dia ahatsapana sahady ny momba anao rehetra satria ny subconscience no mamoaka an'ireo fa tsy ataonao fanahiniana.