NY COCOMBRE

 

#vitalenergy_wellness

 

#tanoraliampivoarana

 

Ny 95% kokombra dia rano avokoa, ary ahitàna singa “silica”, vitamina A, B1, B6, C, D, ny folate, kalsioma, magnesium ary potassium.

 

- Manome hydratation ny vatana

 

- Manatsara ny volo sy ny hoditra. Raha diso main’ny masoandro ny hoditra dia apetraho eo amin’ny tarehy ny kokombra voatetika mba hampitony azy. Asio silaka kokombra kosa ny maso raha bongo. Ary poteho, ataovy masque ho an’ny volo tiana haniry haingana.

 

- Misoroka ny fofombava. Raha misy fofona ny vava dia maka silana kokombra iray, atao ao ambany lela mandritra ny 30 segaondra dia hisinda ny fofona ratsy.

 

- Mampitony aretin’an-doha. Raha avy namonjy fety na tsy ampy torimaso dia mitsakotsakoa kokombra manta mialohan’ny hatoriana. Ny siramamy sy ny vitamina B entiny dia ampy hampitoniana ilay aretin’an-doha.

 

- Mety ho an’ny hypertension, goutte, cholestérol

 

- Mampihena, manamora fandevonan-kanina. Satria rano no betsaka ao aminy dia mampihena izy, izy rahateo be fibra. Fa ankoatra izay dia manampy amin’ny fandevonan-kanina izy no sady misoroka ny fitohanana.

 

- Mandamina ny tosidrà sy ny cholesterol. Ao anaty kokombra mantsy dia misy singa manosika ny sarakaty hamokatra “insuline” sy “sterols”, ary potassium sy magnesium

 

- Manatsara ny aretina “goutte” sy “arthrose”. Ny singa “silica”, vitamina A, B1, B6, C, D, ny folate, kalsioma, magnesium ary potassium dia samy mampidina ny tahan’ny “acide urique” mampihombo iretsy aretina etsy ambony