Voankazo efa fantatry ny maro amintsika ny PAPAY satria mamoa mandavan-taona eto amintsika io.
Tsara ho an’ny fahasalamantsika koa ny papay ary ny tsara indrindra amin’ny fihinanana azy dia anelanelan’ny sakafo (goûté), izany hoe lavitry ny ora fisakafoanana .
Azonao atao koa anefa ny mihinana azy atao entrée crudité raha toa ka mbola somary mantamanta izay manankarena vitamines.
  • Betsaka ny vokatsoa sy ny otrik’aina hita azo amin’ny papay toy ny : papaïne, phosphore, calcium, thiamine, niacin, fer, vitamine A, C, noho izany dia tena manome hery ho an’ny vatana ary mampaniry volo haingana sy manatsara ny hoditra noho ireo vitamines betsaka ao aminy
  • Manatsara ny fahitana (améliore la vue) satria ny caroténoïdes ao anatin’ny papay no miaro ny rétine contre ny UV. Ary ny zéaxanthine mi-préserver ny cataracte sy ny dégénérescence maculaire.
  • Arakaraka ny fahamasahan’ny papay no maha-betsaka ny lycopène ao aminy noho izany dia mampidina ny risque de cancer n’ny prostate.
  • Ny papay dia manankarena antioxydants sy acides aminées , rehefa fermenter-na ny papay dia lasa « immuno-stimulante », izany hoe mampiakatra ny défenses naturelles. Azo lazaina fa ny fihinanana papay izany dia maha-ela velona (aide à la longévité), miaro ny aretin’ny fahanterana rehetra (arthroses, alzheimer…) satria manatsara koa ny système immunitaire.
  • Ny papay koa dia tena manankarena fibres noho izany dia mahavoky haingana (apporte une sensation de satiété) ary tsara ho an’ny fandevonan-kanina sy ny olona mitohana (constipation) sy ho an’ny olona te-hahia satria maivana be ny calories ao aminy.
NY VOAN’NY PAPAY koa dia aoka tsy ho ariana intsony satria afaka manampy sy miaro amin’ny aretina toy ny :
FIAROVANA NY REINS: Ny fihinanana ny voan’ny papay dia manampy amin'ny fisorohana ireo aretin'ny reins na voa, sahala amin’ny INSUFFISANCE RENALE.
Sady préventif izy no curatif. Mitsako voany 7 isan’andro. Aza adino anefa any misotro rano betsaka fara-fahakeliny 1,5L isan’andro.
MANADIO NY FOIE: Ny foie na Aty no taova anisan’ny miasa indrindra satria manao ny filtrage n’ny menaka rehetra hohanintsika. Koa raha tsy mitandrina isika dia ho reraka ny Foie ary rehefa tsy afaka miasa intsony satria misy excès de graisse tsy levona dia mitarika, triglycéride, choléstérol, sy hypertension (fiangonan’ny graisses ao anaty rà ary mahatonga ny infarctus indray andro satria tsentsina ny lalandrà sy ny jaunisse (rehefa tsy maharaka ny fiasan’ny vésicules biliaires dia misy excès de bilirubine mivoaka ny pipi) dia anisan’ny aretina mitranga raha ratsy fiasa ny Aty.
Ny voany koa dia manana effet brûle graisse na dia nolavina aza izany tamin’ny «allégation minceur».
Be antioxydants izy ary tsisy effets secondaires .
Mety amin’ny olona manana parasites intestinaux, manampy be koa ny papay (na ny raviny na voany) rehefa misy règles menstruelles abondantes ny vehivavy.
Afaka misoroka amin’ny aretina maro izany ny fihinanantsika an’io voankazo io koa mazotoa ary mihinana papay.