NY METHODE QUANTIQUE SY HOLISTIQUE dia fifantohana manokana amin’ilay fanahy ao anaty izay avy amin'ilay Nahary (le créateur de l’univers) ka ampiasaina ao anatin’izany ohatra NY MEDITATION mba ifatohana aram-panahy ao anatin’ny fahanginana ahafahana mifandray @ tontolo tsy hita maso (le monde métaphysique)

Tsara ho marihiko anefa fa na fanahy tsara na ratsy dia azonao ifandraisana amin’ny alalan’ny méditation io, ka na mpamosavy sy mpamorika aza dia manao méditation koa mba hiantsoana ireo fanahy ratsy hirahiny hamorika olona.

Ataovy antsaina fa mat oa ianao mivavaka dia te hiresaka amin'ny fanahy (io ilay méditation). Mila fantarinao izany hoe fanahy inona no antsoinao !

Ny hiarahantsika miasa eto amin’ny méditation ataontsika dia ny amin'ilay fanahy tsara.

 

NY ANTON’NY HANAOVANA MEDITATION

dia mba  hikolokoloina io saina io mba ho voafehy tsara ny CONSCIENCE-nao satria mora amin’ny olona no mi-manipuler anao, sy mi-hypnotiser anao ary afaka mibaiko ny subconscience-nao
Ampidiriny ao anatin'ny subconscient-nao ny zavatra tiany ho hitanao ary rehefa hypnotisé ianao dia miasa ilay subconscience mba ho lasa conscient.

Manipulation mentale ny hypnose satria baikoin'ilay hypnotiseur ny atidohanao, na ianao ihany no afaka mibaiko azy (io no antsointsika hoe: autohypnose)
Azo lazaina fa mifanaraka ihany ny état inconscient sy ny subconscient. Ohatra rehefa matory ianao ka manofy dia ny subconscience-nao no miasa.

Raha taitra amin'iny nofy iny anefa ianao dia miditra tampoka ny état conscient dia eo no mahatonga ny sasany somary fanina na marary an-doha satria misy fiovàna tampoka noho ianao taitra tamin'ny nofy ary matetika tsy tadidinao intsony hoe inona ilay nofy teo. Indraindray nefa tadidy ihany ilay nofy, toa zavatra efa niainanao rehefa indray andro any miseho ny tantara efa nofisinao. Ny subconscient ami'izay dia miasa foana mitahiry ilay mémoire na dia tsy iainanao aza.

 

Miasa koa eo ny "LOI DE L'ATTRACTION" satria ny subconscience manandrana mitadidy izay rehetra ERITRERETINA ary MAMPITRANGA azy eo amin’ny fiainana ary avoakany amin’ny état de conscience rehefa eritreretinao foana sy iainanao ilay situation alainao saina an-tsary isan’andro io

Izay no mahatonga antsika amporisihana foana hoe manaova VISUALISATION CREATIVE sy AFFIRMATION POSITIVE (farafahakeliny mandritra ny 21 andro), satria ireo no base n’ny LOI DE L’ATTRACTION.

 

FOMBA FANAOVANA MEDITATION

Manao fanadiovana ara-panahy voalohany indrindra (purification), amin’ny alalan’ny fihetsika, fiteny, toetra aseho, ny fikarakaranao ny natiora na ny zava-boahary manodidina ny tontolonao aza dia tokony ahitana taratra an’izany: zavamaniry, biby, namana, mpiara-miasa…)

  • Rehefa vao maraina be vao mifoha no fanaovana ny méditation fa raha avy misakafo dia mety ho rendremana na resin-tory mihitsy aza.
  • Manokàna efitra iray na toerana mangina tsy misy manakotaba anao milamina sady tsy mafàna no tsy mangatsika ary tsy tratran'ny courant d’air ( température ambiante) dia :
  • Manaova akanjo maivana, tsy misy maneritery
  • Mitadiava position mety aminao : na matory na mipetraka ambony seza dia apetraka tsara amin’ny tany ny tongotra roa, na koa manao position de lotus.
  • Afaka akipy ny maso na alefaso mibanjina zavatra iray ny masonao dia manaova ''respiration'', fiaina miadana sady milamina tsara, tsy mieritreritra ninoninona intsony.
  • Ataovy 5mn fotsiny aloha eo ampanombohana azy,dia rehefa zatra ampitomboy.
  • Aleo atombontsika amin’ny mitsilany ambony tapis de yoga aloha fa mora kokoa ilay respiration abdominale).

MIZARA ETAPES 2 NO ANAOVANTSIKA NY MEDITATION

- Concentration sur la respiration et décontraction des muscles

- Rehefa milamina tsara ny fomba fiainanao (respiration avec décontraction totale) dia miditra amin’ny fanaovana méditation

Ny étape voalohany izany aloha dia manao relaxation (contraction/décontraction) en profondeur ny muscles rehetra (relaxation musculaire).

Anisan’ny technique iray tena efficace amin’ny fanaovana méditation dia « Relâcher les muscles », izany hoe ahenjana daholo ny muscles rehetra (contracter).

Ny atao amin’izany? Ahena tsikelikely ny rythme n’ny respiration,

Manaova concentration mandritra ny inspiration dia contracter-o ny muscles rehetra. Ampiakaro ny épaules dia contracter-o (ataovy mihenjana) ny abdominaux, ny fe, ranjo na mollets, ny sandry sy ny tanana.

Afaka ampiakarina ambony koa ny tanana roa (vos 2 bras) sady manao inspiration.

Rehefa manao expiration dia relacher_o daholo ny muscles nahenjana teo.

(Hitanareo ny saka rehefa manenjana ny vatany iray manontolo ? dia ataovy ohatr’izay koa).

 

Ny étape faharoa dia esory daholo ny eritreritra ratsy rehetra, ny adin-tsaina. Henoy ny fitempon'ny fonao  ka rehefa hitanao fa milamina tanteraka ny fiainanao dia alaivo an-tsary ny fifalianao, filaminan-tsaina lavitry ny tebiteby sy ny korontana.

Manaova respiration abdominale en profondeur : mifoka rivotra  amin’ny orona ary ampidinina hatrany amin’ny  kibo, abontsina tsara mandritra ny 4 sec. Tazomina vetivety mandritra ny 7 sec (sady alaivo sary an-tsaina hoe mitondra energie positive ho anao ireo rivotra rehetra nofohinao ireo), dia manaova expiration miadana mandritra ny 8 sec. Manaova an’io concentration respiratoire io mandritra ny 5 minitra mandram-pahazatra.

Rehefa vita io dia afaka mipetraka amin’izay manomboka ilay méditation

 

Misy karazany 2 ny fanaovana  méditation ka ny voalohany dia NY FANAOVANA VISUALISATION. Izany hoe mieritreritra an-tsary ny situation iray tianao ianao. Ohatra : Mitaingina lakana miaraka amin’ny boites kely be dia be ianao eo ambony ranomasina, dia mahita ranomasina sy ny lanitra mangamanga ary ny faravodilanitra tsy misy fetrany, maheno ny fanonjan’ny rano, ny vorona manidina, mifoka rivotra madio. Rehefa lasa lavidavitra ny lakanao dia manaova respiration en profondeur hatrany ka isaky ny expiration (8 sec) dia azerao any anaty rano lalina izay adin-tsaina rehetra (eritrereto hoe apetrakao anaty boite tsirairay ny adintsaina, na tahotra, na alahelo…). Ataovy mandritra ny 5 min izay.  fa ianao kosa miverina tsikelikely entin’ny lakana mitopatopa.  Tohizo ihany ilay respiration en profondeur mandram-piverinao tanteraka miakla ny lakana. Ho tsapanao fa maivana be ny ao anatinao efa afaka daholo ny vesatra rehetra.

Ny méthode faharoa kosa dia ny AFFIRMATIONS POSITIVES, fampidiranao tsikelikely ao an-tsainao izay fanirianao (efa hitantsika ny : tiako aho, mpandresy aho, faly aho, ho tafita aho, dokafy ary ankasitraho ny tenanao...). Aza ampiasaina mihitsy ny phrase négative fa tonga dia izay tadiavinao lazaina. Satria ny subconscience dia tsy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy fa izay voalazanao dia raisiny avokoa. Eto izany isika dia tonga dia ilay mot positif no ampiasaina avy hatrany.

 

Tandremo ny mampiasa ny teny hoe « tsy » na « aza », fa ilay phrase manaraka eo (négative) no raisiny. Ohatra « tsy mijaly aho », tsy ilay phrase rehetra no raisiny fa ilay « mijaly aho »

NY FOTOANA TOKANA IHANOANTSIKA NY VATANTSIKA SY NY SAIN-TSIKA, DIA REHEFA MAHATSIARO MARARY, REHEFA TONGA FAHASAROTANA EO AMIN’NY FIAINANA !!
Raha miteny aho eto hoe manao « méditation » dia tsy midika izany hoe vider-o ny sainao ary aza mieritreritra n’inon’inona intsony.
Ny MEDITATION dia manasa ary mitarika antsika hampitony ny vatana sy ny saina ary ny fanahy ao anatintsika, mihaino ny ao anaty tanteraka ary mitady fitoniana rehefa azo tanteraka ny anton’ilay fanaintainana, ny fihenjanana ao anaty, ny fahasahiranan-tsaina, sempotra, reraka, ketraka, rehefa mikoropaka etsy sy eroa mitady izay mety mahatsara nefa tsy tafavoaka amin’ny adin-tsaina ... Henoy ary mitoera eo amin’ny vatanao mba hihavananao aminy (se faire la paix)
Betsaka ireo teknika ahafahana manao méditation fa ity dia fomba tsotsotra ho hazavaiko anareo mba ho raisina fahazarana isan’andro. Tsy misy fandalinana lalina fa ianao sy ny vatanao ihany no manao ny ezaka kely.
Ny vatantsika io no “VAVAHADIN’NY FISIANA”, kanefa isika rehetra, na iza na iza na antitra na tanora, izay miaina amin’ny taonjato faha-21 izao, dia tsy mifandray amin’ny vatantsika intsony. Mazava ho azy fa nampitombo ny tsy fananatsika faharetana ny teknolojia vaovao. Tsy fantatsika akory, fa io no fototry ny fijaliantsika, tsy misy fifankahazoan-kevitra, tsy misy fifanakalozana na amin’ny hafa na ny fihainoana ny vatana izay iainantsika. "
Ny endrika samihafa amin'ny fanaintainana izay zakaintsika isan’andro amin'ny ankapobeny dia teraka satria lavitry ny vatantsika isika, adino tanteraka fa io vatana io ange ka mila kolokoloina koa e ! ”elanelana manakana antsika io ka tsy mampiverina herintsika ! satria reraka ny vatana sy ny saina !!
Tadidio fa io no mahatonga ny ankamaroan’ny olona hanao dépression, indrindra fa ny any amin’ny tany mandroso !!
MIEZAHA MIVERINA AMIN’NY FIFAMATORANA AMIN’NY FAHAZAZANA !
Ahoana no hitondrana ny maha-olona anao, raha mitafy tsara kokoa ny vatanao ianao?
Ny zaza rehefa noana na mangatsiaka na mafana loatra, na lena dia amin’ny alalan’ny tomany no hanehoany an’izany, dia tonga ny Ray aman-dreny mitady vaha-olana !
Ny zaza rehefa nihazakazaka ka mahatsiaro reraka , dia mijanona !
Ny zaza rehefa milalao dia tsy misaina zavatra hafa fa maka concentration amin’izay ataony ! fa tsy mitotototo mieritreritra zavatra hafa etsy sy eroa!
ADINONTSIKA LAVA IO VATANTSIKA IO
Nianarantsika nandritra ny androm-piainantsika fa ny vatantsika dia raisina toy ny fitaovana mba ahazoana vokatra : fahazoana vatana salama sy saina tomady.
Nampiasa fahatany ity vatana ity isika, indraindray tsy fantatra akory ny antony, ohatra amin'ny alalan'ny fanatanjahantena, ary matetika raisina ho toy ny adidy mihitsy: manao fanatanjahan-tena ianao mba hahatsemboka ny tenanao, mampiakatra ny adrenaline-nao, mihazakazaka miaraka amin'ny écouteur sy famantaranandro ianao mba hanamarihana fa nahavita zavatra tamin’ny tenanao ... raha tsy efa mahare havizanana na marary daholo ny hozatra rehetra avy eo (courbatures) dia tsy hijanona mihitsy satria lazainao fa tsy ampy ny nataonao ! Dia andrasana ho marary ve ny vatanao vao hijanona fa tsy azonao an-tsaina akory hoe misy fetrany ange ny fampiasana azy io e !
Amin’ny ankamaroan'ny fotoana, ny fifandraisantsika amin'ny vatana dia ny fihenjanana lalina mankany amin'ny fahafinaretana tsy voafehy (excès): lasa ataontsika fitaovana fotsiny sisa ny vantantsika, ka mitady fihetseham-po mahery vaika foana (émotions fortes) dia araka ny voalazako tetsy ambony hoe adino tateraka fa mba misy fetrany koa ange io vatana io e ! mahatsiaro marary, reraka...
Ny fotoana tokana hihainoanao ny vatanao, dia rehefa tonga krizy, izay vao mitaraina fa voahenjana loatra ny vatana (excès), na ara-tsakafo izany (be loatra na tsy ampy mihitsy), na mahery setra loatra tamin’ny fiasam-batana, na ara-tsaina koa, toy ny adin-tsaina, tahotra, alahelo, fisentoana, marary kibo na mivalana, na mitohana koa…. Amin'ity tranga ity dia tsy maintsy mijanona mihaino ny vatantsika isika: Azo atao ny mitsabo amin’ny alalan’ny fanaovana MEDITATION alohan’ny hijerena dokotera !
Tsy misy ifandraisany amin'ny fanadiovana ny sainao na ny fiezahana ho tony, akory fa fihezahana mba mihaino izay mitranga ao anaty rahefa crispé na énervé ianao, sosotra na malahelo !!! Miezaha manomboka izao mba henoy daholo izay fitarainan’ny vatanao !!!!
NAHOANA NO MANOVA NY FIHAINOANA?
Raha maka fotoana kely 15 minitra isa-maraina vao mifoha na alina alohan’ny hatory aho ary mihaino ny vatako izay rehetra mitranga ao anatiko aho ary mahatsapa sy maheno ny marary rehetra ao anatiko dia ho foana miandalana io fanaintaninana io , na ara-batana izany na ara-panahy !
Tsy eo no fotoana fanaovana lâcher prise fa raiso ary henoy izay mahazo no ao anatinao. Mila filaminan-tsaina ary tsy mieritreritra zavatra hafa afa-tsy ny ao anatinao ! mifoka rivotra madio dia izay ! Aza mijery famataranandro akory hoe efa firy minitra izay no lasa !!!!
Ny olana mantsy dia miaina ao anatin'ny fahadisoam-panantenana lehibe foana isika toy ny hoe "raha ahetsiko be ny vatako na mihazakazaka be aho, ka tena mahatsiaro reraka, rehefa miasa be ny saiko, manaintaina ny hozatro rehetra dia izay no ataoko hoe fiainana! fa raha tsy mihetsika aho dia miroso amin’ny fahafatesana izany ! "
Mifanohitra tanteraka amin’izany anefa no tokony ho izy, hoy aho hoe : "asio fetra ihany izay ataonao ary lanjalanjao fa aza mandrera-tena amin’ny tsisy antony, kolokoloy ny vatana aza aza rotorotoina !
Ny "méditation" dia tsotra : Mipetraka tsy manao na inona na inona, manatrika fotsiny izay zava-mis., Asio mozika malefaka raha misy mba hifantohanao fotsiny amin’iny ny masonao fa tsy mihaino ny tabataba any ivelany, miaina tsara mampiditra oxygène amin’ny vatanao. Dia henoy izay mitranga ao anatinao, aza tsaraina akory, aza terena na asiana ahiahy, fa raiso am-pitiavana izay mitranga fa manafaka tsikelikely ny vatanao amin’ny fanaintainana sy ny adin-tsaina izany ary mandravina ny ao anaty. (miezaha tsy mieritreritra zavatra négatif)
Ny méditation dia tsy hoe tonga saina amin'ny zava-drehetra, fa tena mifanohitra amin'izany dia ny fifantohana amin’ny ankehitriny (le moment présent, ici et maintenant), fambolena fahatsapana sy fihainoana ny ao anaty (fo mitepo, fiainana ny rivotra madio miditra ao anaty avokavoka… amin'ny fanafahana ny tenanao amin'ny fanahiana toy izany, amin'ny famelana ny tenanao, ary manala ny fanaintainana rehetra ao anaty.
Andramo fa mety aminao ny méditation raha toa ka mbola tsy azonao hatreto ny dikany !