NY HERIN’NY « PENSEE POSITIVE » SY NY « MOTS POSITIFS » AMIN’NY FAMPIAKARANA NY « FREQUENCES VIBRATOIRES »
Eto dia amin’ny alalan’ny fanaovana MANTRA izay tononotsika isan'andro no ampiakarantsika an'izany.
Ny herin'ny PENSEE POSITIVE sy ny MOTS POSITIFS dia voaporofo fa misy vokany tsara. Ankoatr'izay, misy olona manam-pahaizana iray « Masuro Emoto », namoaka ny sangan’asany momba ny fiatraikan’ny rano amin’ny alalan’ny teny sy ny eritreritra.
(Fanamarihana kely fa ao anatin’ny tenantsika dia rano ny 70%).
Fantatrao ve fa misy fiantraikany betsaka eo amin'ny fiainanao sy ny asanao ny VIBRATIONS ao anatinao?
Raha ny marina, arakaraky ny habetsaky ny hery anananao no mampiakatra koa ny fréquence vibratoire ao anatinao ary vao mainka mahasarika ny clients sy ny manodidina anao sy ireo olona tianao hifanerasera aminao.
Raha ny mifanohitra amin'izany, izany hoe ambany ilay fréquence vibratoire dia ambany ny herinao, dia ho sarotra kokoa aminao ny hisarika ny mpanjifa, hanana vokatra tsara ary hampitombo ny orinasanao.
Noho izany, ny famakiana MANTRA tsara amin'ny feo avo, ary fakana sary an-tsaina izay lazainao, dia afaka manampy anao hampitombo ny hafanam-ponao (asio fietsem-po isaky ny manonona phrase iray).
Raha izaho manokana dia asiako musique de relaxation ohatra na hira milamina mba hampitony ny ao anatiko sady tsy ho voakorontana amin’ny bruits any ivelany.
Ataovy fahazarana maraina sy hariva mihitsy ireo. Tsy mahafaty antoka anao ny fanandramana an’io na dia mandritra ny 1 volana fotsiny aza
Ny MANTRA izay hozaraiko anareo eto dia natao indrindra hoa n’ireo :
  • Mahatsiaro reraka, tsy ampy énergie
  • Rehefa tena lanka tsy mahavita na inona na inona intsony
  • Mahatsapa stress, tahotra, fitaintainana, fisalasalana ...
  • Manana olana ara-pahasalamana
  • Ny olona mila miaina amin’ny fanovana lehibe eo amin'ny fiainany ankehitriny: fisaraham-panambadiana, fifindra- monina, fisarahana, fnidonam-pahoriana (famoizana) ...
  • Ny olona mahatspa ho very, very hevitra
  • Na ireo olona mahatsapa fa tokony ampiakarina ny frequence vibratoire ao anatiny
Ary tena tsotra ho an'ireo rehetra maniry hampiakatra ny FREQUENCE VIBRATOIRES-ny
Ireto ary misy MANTRA azonao vakiana na tononina isan’andro mba ampiakaranao ny fahasalamanao
  • Tiako ny tenako ary salama tsara aho.
  • Ny cellules rehetra ao anatin’ny tenako dia salama tsara.
  • Mahatsiaro aho fa manan-kery ary manana herim-po.
  • Mikoriana moramora ao amin'ny vatako ny angovo.
  • Manome fahazavana sy fahasalamana amin'ny lafiny rehetra ao amin'ny fiainako aho.
  • Isan'andro dia tsapako fa misy angovo mahery vaika mameno ny vatako.
  • Mahita fotoana foana aho hamenoako ioangovo io ao anatin’ny vatako
  • Isan'andro dia tsapako fa mitombo ny tahan’ny vibration ao anatin’ny vatako
  • Mahita fotoana hikarakarana ny tenako sy ny heriko foana aho.
  • Mahatsiaro sambatra aho
  • Manana tanjaka be aho ary mahatsiaro fa vonona hanao fahagagana ho an’ny tenako.
  • Andro aman'alina dia fenoiko fahsalamana ao anatin’ny tenako.
  • Faly aho ary feno hery tanteraka.
  • Salama tanteraka ny vatako sy ny saiko.
  • Milamina ary tsapako fa mirindra tsara ny ao anatiko.
  • Miha-matanjaka isan'andro aho
  • “Androany dia hitan'ny olona mahatalanjona ny endriko.
  • Ampidiriko ao an-tsaiko hatrany ny fandriam-pahalemana ary mahatsiaro ho milamina hatrany aho.
  • Milamina ny torimasoko amin’ny alina.
  • Mihatsara isan'andro ny fahasalamako ary miha-matanjaka aho.
  • Manana connexion amin’ny Source Divine sy ny herin'ny lanitra aho izay mamelona tanteraka ny tenako.
  • Miakatra tsikelikely ny hovitrovitra (vibration) ao anatin’ny tenako.
  • Mikoriana ary miparitaka tsimoramora eraky ny vatako io angovo.
  • Misy Fahazavana tsara sady manome fahasalamana tanteraka ho ahy mikoriana ao anatin’ny tenako manontolo.
Mirary fahombiazana ho anareo rehetra namako liam-pivoarana sy fandresena